Nisehoana zava-doza indray tany amin’ny distrikan’i Vavatenina ny zoma maraina 26 aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any. Lehilahy roa no maty nihotsahan’ny tany tao amin’ny fokontany Betsakotsako, Kaominina ambanivohitr’i Maromitety. Tsy fantatra mazava izay tena zava-nitranga fa raha ny vaovao voaray dia fantatra fa teo am-pihadiana ny tany izy ireo no nihotsahan’izany. Efa tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny borigady Vavatenina. Hatreto, mbola ny fatin’ilay lehilahy iray no hita fa ilay faharoa kosa mbola tsy fantatra izay misy azy ka heverina fa mety any amin’ny farany ambany izany. Efa nomena ny havany ilay razana. Misokatra kosa ny fanadihadiana mahakasika ity loza ity ary efa mandeha ny famotorana.
Niony H.