- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversImerinkasinina : 4X4 sy taxi nifandona : mpamily iray maty tsy tra-drano,...

Imerinkasinina : 4X4 sy taxi nifandona : mpamily iray maty tsy tra-drano, mpandeha 10 naratra

ACCIDENTAnisan’ny lozam-pifamoivoizana nitàna ny sain’ny maro izay nitranga ny faran’iny herinandro iny ny fifandonana teo amin’ny fiara « 4×4 » Ford sy « taxi » R18 iray teny amin’ny lalàna mihazo any Imerinkasinina iny. Ny alahady 28 aogositra, tokony ho tamin’ny efatra ora latsaka fahefany hariva no voalaza fa nitrangan’ny loza. Mafy dia mafy tokoa ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Vokany : maty tsy tra-drano ny mpamily ilay « taxi ». Mpandeha 10 kosa no naratra : ny telo no avy tao anatin’ilay « taxi » ary ny fito kosa avy tao anatin’ilay fiara tsy mataho-dàlana. Fantatra fa ny roa amin’ireo olona fito naratra tao anatin’ilay « 4×4 » ireo dia zazakely avokoa. Tonga teny an-toerana nanatanteraka ny « constat » avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny borigady Ambohimalaza. Ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa vokatry ny fandehanana mafy nataon’ilay fiara tsy mataho-dàlana niampy ny fiolahan-dàlana teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza no nitarika ny fifandonan’ireto fiara ireto. Efa nalain’ny fianakaviany ny razana fa ireo maratra kosa dia mbola nalefa notsaboina eny amin’ny hopitaly HJRA avokoa. Tsy fantatra kosa na mamo na tsia ny mpamily ilay « 4×4 ». Mbola eo am-panaovana ny famotorana azy ireo zandary ka andrasana araka izany ny mety ho valin’ny fanadihadiana.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici