- Publicité -
lundi, août 18, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Enin-dahy mirongo basy nanafika tokantrano, efatra tapitrisa mahery sy basy...

Ambohimangakely : Enin-dahy mirongo basy nanafika tokantrano, efatra tapitrisa mahery sy basy no very

Miteti-bidy eo amin’ny efatra tapitrisa ariary mahery eo ho eo ny entana lasan’ireo olon-dratsy teny amin’iny faritra Ambohimangakely iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Andian-jiolahy teo amin’ny enina teo no tonga nanafika tokantrano iray tao Ambohitrombihavana ny sabotsy vao maraim-be. Basy poleta roa no teny an-tanan’izy ireo raha ny fampitam-baovao azo. Heverina fa efa nonitilian’izy ireo ity tokantrano iray ity. Mbola samy tao anatin’ny torimaso avokoa mantsy ny rehetra no nanao amboletra niditra izy ireo. Tsy nisy an-kiteny fa avy hatrany dia namban’ireto olon-dratsy tamin’ny basy ireo tompon-trano, izay tsy afaka nanao na inona na inona akory. Toy ny efa mahafantatra tsara ity tokantrano ity ireo olon-dratsy, hoy ny vaovao. Noteren’izy ireo hamoaka ny vola rehetra tao an-trano mantsy iretsy voalohany. Vola izay mahatratra eo amin’ny roa tapitrisa ariary mahery eo ho eo. Ambonin’izay dia maro ireo entana sarobidy lasan’ireo olon-dratsy. Tao anatin’izany ny basim-borona iray, niaraka tamin’ny bala iray, izay angamba nataon’ireo fianakaviana ireto ho fiarovan-tena, kanefa tsy nahavitana na inona na inona. Efa nahavita ny asa ratsiny ireo jiolahy vao afaka niantso vonjy ny tompon-trano. Tonga teny an-toerana ny zandary nanao savahao ny manodidina saingy efa tsy tazana intsony ireo olon-dratsy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici