- Publicité -
lundi, août 18, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlarobia : Mpamaky trano iray voasambotra

Alarobia : Mpamaky trano iray voasambotra

Lehilahy iray, 28 taona no nosamborin’ny andrimasom-pokonolona teny Morarano Alarobia ny alin’ny zoma hifoha sabotsy teo tokony ho tamin’ny 3 ora maraina. Nifanehatra tamin’ireo olona ireo ity lehilahy ary nampiahiahy ny fihetsiny. Rehefa nosavaina izy dia nahitana entana maro teny aminy, izay voalaza fa mitotaly hatrany amin’ny 500 000 ariary. Rehefa izany dia naterina tany amin’ny biraon’ny pôlisy Analamhitsy ity mpangalatra ity. Nandeha ny fanadihadiana ka tamin’izany no nahafantaran’ny mpanao famotorana fa avy namaky trano ka talohan’izao nahatratrarana azy izao dia efa nisy zavatra marobe azony, toy ny bisikileta, kodiarana Scooter sy fitaovan-dakozia. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa mpamerin-keloka ity mpangalatra tratra ity. Efa nigadra tany Moramanga izy ny taona 2011 tamin’ny resaka vaky trano ihany. Omaly no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ny anao lahy.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici