Tsy nisy najanon’ireo mpangalatra ankoatra ny fanaka mavesatra sy tsy voabata sisa. Najifa tanteraka ary nadio ny trano novantanin’ny fianakaviana iray raha nandeha kely niala sasatra tany amoron-tsiraka. Napetrak’izy ireo tamin’ny mpanampy an-trano ny fiambesana ny trano, raha araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana. Mazava ho azy fa io no nivadika ary niray tendro tamin’ny jiolahy tamin’ny fanatontosana ny halatra. Manaporofo rahateo izany ny nanjavonany tanteraka rehefa nody ny mpampiasa azy. Nandeha ny feo teo an-toerana fa nitondran’ireo olon-dratsy fiara mihitsy ary nanaram-po izy ireo tamin’ny fibatàna ireo entana. Fiara 404 bâché no nampiasain’ireo mpamaky trano hafakely ary niverimberina izy ireo tamin’ny fanatontosana ny halatra. Ny nahavariana dia ny hoe tsy nisy nahatsikaritra ve izany sa kosa ny fahitàn’ny olona ilay mpanampy no mety nampatory ny ahiahy rehetra? Ketraka tanteraka ny tompon-trano nanoloana an’izany rehetra izany ary ny saina nilamina avy any amin’ny fialan-tsasatra dia nikorontana avy hatrany raha vao nigadona teto an-drenivohitra…
D.R