Ny alatsinainy tokony ho tamin’ny fito ora maraina no nivadika teo Tangaina, dimy kilaometatra miala an’i Moramanga raha hihazo an’i Toamasina, ny fiara vaventy mpitondra entana. Araka ny fantatra dia fianakaviana no tao anatiny niaraka tamin’ny mpamily. Ireo nanatri-maso dia samy nilaza fa tsy nandeha mafy ity fiara ity. Asa na noho ny tsy fetezana na ahoana fa niainga ny lohan’ilay kamiao ary tapaka ny fitohizan’ilay vatabeny. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa raha nahita izany ilay ankizy lahy dia ny hivoaka ny fiara no masaka tao an-tsaina ary tsy azo norarana izy tamin’izany. Avy hatrany anefa dia voatsindry tao amban’ilay fiarabe izy. Mbola afaka niantso ihany izy folo minitra taorian’izany raha ny nambaran’ireo nanatri-maso fa noho ny tsy fisian’ny fitaovana dia tapitra tao ny ainy. Ora telo taorian’izany rehetra izany vao afaka tao ambany fiara ilay razana. Raikitra teo no ho eo ny fifanomezan-tanana avy tamin’ny mponina manodidina namonjena ireo tsy nahatsiaro tena tao anatiny sy nitondra azy ireo tany amin’ny toeram-pitsaboana. Nozaraina ny andraikitra ka nisy koa ireo niambina ny fiara.
Ny alin’io ihany, teo amin’ity toerana ity, dia nisy mpitondra moto nivadika ka dia handalo fandidiana maika ary mbola tsy mahatsiaro tena. Anisan’ny miteraka loza amin’iny lalam-pirenena faharoa iny ny firotsahan’ny orana ka tokony handeha mora hatrany, hoy ireo polisim-pirenena.
CATHY