Lehilahy iray hamonjy fodiana no nendahana bandy miisa efatra teny amin’ny faritra Anosipatrana ny alin’ny faha-26 aogositra lasa teo. Very tamin’izany ny finday, vola ary fanalahidin’ny moto. Raha vao nahazo izany ireo mpanendaka dia rifatra nandositra. Tsy niandry ela ilay lehilahy fa lasa nametraka fitoriana teny aminn’y biraon’ny polisy Ilanivato. Nilaza izy tamin’io fa tadidiny tsara ny endriky ny iay tamin’izao nanendaka azy. Voalaza fa mipetraka eny an-toerana ihany ny iray tamin’ireo olon-datsy. Nandeha ny fikarohana azy io ka tsy niandry ela fa ny faha-28 aogositra no voasambotra ny iray, teny aminn’y faritra Anosipatrana ihany. Rehefa nohadihadiana izy io dia nanoro ny namany niaraka taminy. Ny faha-30 aogositra maraina be tamin’ny 5 ora no nosamborina ny roalahy. Ilay namany iray kosa tsy hita izay nosy azy ary tadiavian’ny polisy fatratra izy amin’izao fotoana izao. Rehefa nohenoina ry zalahy tratra ireo dia nialaza fa eny aminn’y faritry ny Trano Dimy sy ry Masera Anosipatrana no toerana fanendahan’izy ireo. Ny iray moa dia tsy vahiny amin’ny mpitandro filaminana satria olona efa migadra matetika izy io noho ny resaka vaky trano sy sinto-mahery.
Omaly no natolotra ny Fampanohavana teny Anosy izy telo lahy ireo.
r.s.