- Publicité -
samedi, septembre 13, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67ha : Nanjavona ny « jantes » tamin’ny fiaran’ny depiote

67ha : Nanjavona ny « jantes » tamin’ny fiaran’ny depiote

Rangahy iray, depiote teo aloha, no niharan’ny asaratsy tamin’ny fiara nentiny. Niditra tao amin’ny toeram-pisakafoanana iray tao an-toerana izy ny alin’ny talata teo. Rehefa nivoaka avy ao dia talanjona raha nahita ny fiara tsy mataho-dàlana nentiny efa vaky, notrobarana tamin’ny antsy ny kodiarana roa telo aloha. Vokatr’izany dia nanapa-kevitra izy ny nanajanona ilay fiara teo an-toerana, ny andro rahateo efa alim-be sady tsy ampy ihany koa ny kodiarana fanolo izay iray ihany mazava loatra, isaky ny fiara. Ny maraina raha niverina teo niaraka tamin’ny olona saika hanampy azy hanolo ny kodiara, efa zavatra hafa tanteraka indray no niseho. Talanjona fanindroany Ingahy depiote satria efa tsy teo intsony ny pare-brise, ny autoradio sy ny baffles. Tsy vitan’izany aza fa efa napetraka soa aman-tsara teo ambonin’ny vato ny fiara. Izany hoe, tsy nisy kodiarana sy « jantes » intsony. Tsy nisy na inona na inona azo natao intsony. Naka saina mihitsy aloha, satria tafahoatra loatra ny zava-nitranga tamin’ilay fiara mitondra ny marika Land Cruiser. Tsy zava-baovao loatra ny halatra « jantes » sy ny halatra fitaratry ny fiara eto amintsika, saingy ny fomba fisehoan’ny halatra no miovaova. Tamin’ity indray mitoraka ity izany dia nokendrena mihitsy izay hialàn’ny tompon’ny fiara teo amin’ilay toerana, amin’izay afaka manaram-po mandritra ny alina tontolo manao ny asaratsiny. Mivoatra hatrany ny asaratsy ary mila manaraka an’izany ihany koa ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici