Omaly tokony ho tamin’ny iray ora maraina, no nisehoan’ilay fanafihana mitam-piadiana. Fito lahy no hitan’ny olona nitsofoka an-keriny tao amin’ny tokantrano iray ,tao Soavimasoandro. Ny sasany mitondra antsy ary ny iray mitondra basy. Rehefa nofariparitana tamin’ny mpanao fanadihadiana ilay fitaovam-piadiana, dia ahiana ho basy kilalao no nampiasain’ireo olon-dratsy. Na izany aza anefa, dia afaka nahavitan’izy ireo ny asaratsiny ihany izany. Vola mitentina dimy alina ariary no lasa tamin’izany ary koa ireo kojakojan-tokantrano mora nobataina sy finday dimy. Mba tsy nisy ny aina nafoy na koa ny naratra vokatry ny fanafihana. Vao nahazo izany ireo jiolahy dia nifindra tamin’ny fivarotana iray. Volabe no very tao, satria nihoatra ny 3 tapitrisa, finday sy peratra volamena
dimy. Tsy mitsahatra ny mivoatra ny fomba fanaon’ireo olon-dratsy. Ny olona rahateo efa ao anatin’ny horohoro tanteraka, hany ka tsy afaka ny hanavaka ao anatin’ny fotoana fohy ny basy tena izy amin’ny basy kilalao. Manginy fotsiny ny isan’ireo mpanafika izay matetika mihoatra ny isan’ny olona ao an-trano. Izany rehetra izany dia lasa manamora ny asan-jiolahy, indrindra ny fanafihana mitam-piadiana. Matetika naroso ny vahaolana; izay ny fiambenan’ny mpiray monina ny fokontany misy azy ireo ihany. Nisy izany saingy tsy naharitra satria reraka ny olona ary nahatsapa ihany koa fa tsy anjara asan’izy ireo intsony ny miaro ny tanàna,fa efa misy ny olona nomena fahefana hanao an’izany ary karamain’ny vahoaka. Dia ravarava hoazy eny ny fiambenana ary ny tena ratsy aza dia vitsy sisa ny olona mivoaka manavotra rehefa maneno ny kiririoka amin’ny alina. Ny hidin-trano no hamafisina ndrao ny tena indray no hiharan’ny asaratsy. Izany rehetra izany no lasa toe-tsaina sy zava-misy eny amin’ny fiarahamonina, ary tsy misy azo omen-tsiny, satria ny olona dia tsy natao hiady amin’ny jiolahy, misy ny tomponandraikitra izay natao hiaro azy ireo sy ny fananany. Na izany aza anefa, dia tsy maintsy miainga eny amin’ny fokontany hatrany ny loharanom-baovao marim-pototra ahafahan’ny manampahefana miasa sy misambotra izay mania ao anatin’ny fiarahamonina. Fomba fiasa toy izany no mila hamafisina, saingy mila matoky ny fahaiza-manaon’ny mpitandro ny filaminana aloha ny olona vao ho tonga amin’izay sehatra mandray andraikitra avy hatrany izay…
D.R