- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversTrafikana basy : Vehivavy iray indray tratra nivarotra basy vita gasy maromaro

Trafikana basy : Vehivavy iray indray tratra nivarotra basy vita gasy maromaro

Tsy hanavahana tanora sy antitra, lehilahy na vehivavy intsony amin’izao ny olon-dratsy. Tato ho ato dia mpanao trafikana fitaovam-piadiana maromaro no saron’ireo mpitandro filaminana. Isan’ny nahagaga ny maro ny fisiana vaviantitra iray voarohirohy ho isan’ny mpamatsy bala ireo olon-dratsy tany amin’ny faritra tratra tetsy Tanjombato. Fa tsy izy irery ihany anefa no manao ity karazana bizina ity. Vehivavy iray hafa ihany koa no tratran’ny zandary tany amin’iny faritra Sava iny, voarohirohy tanteraka amina resaka fivarotam-basy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia basy poleta vita gasy indray no namidiny. Angom-baovao tonga tany amin’ireo mpitandro filaminana no nahafantaran’ireto farany fa misy ramatoa malaza amin’ny fanaparitahana fitaovam-piadiana ao Tsaratanana, kaominina Ambodisambalahy, any amin’iny distrika Vohemar iny. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary ka mbola tratra teo am-panaovana bizina ity ramatoa ity. Basy poleta vita gasy efatra no tany aminy raha ny fampitam-baovao azo. Tsy nisy afa-tsy telo sisa anefa no tra-tehaky ny zandary tany aminy. Araka ny filazany dia efa nahalafo iray tamin’ity fitaovam-piadiana ity izy. Nosamborina avy hatrany ramatoa ary nentina nanaovana fanadihadiana. Isan’ny antony mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana tokoa ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana eny an-tanan’ireo olon-dratsy. Tato anatin’ny herinandro izay dia nisy ny ezaka nataon’ireo mpitandro filaminana, nisamborana ireny loharanon’ny asan-jiolahy ireny, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ilay ranamana tratra niaraka tamin’ny basy kalach sy bala marobe tetsy Anosimpatrana. Ny hirarian’ny rehetra araka izany dia mba hitohy ny ezaka.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici