Teo amin’ny tendany no nitsatoka ilay zava-maranitra. Ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo no nitrangan’ity fikasàna hamono olona ity. Nirevy teo amin’ny toerana iray teo 67ha ity tovolahy 27 taona izay mianatra any Frantsa ka miala sasatra eto an-tanindrazana ity. Malagasy izy ary niaraka tamin’ny namany maromaro mba nisotrosotro teo amin’ny toerana voalaza etsy ambony. Rehefa vita izany fiarahana izany ka handray fiarakaretsaka hody dia nisy olon-dratsy nanatona azy nanatsatoka antsy teo amin’ny tendany. Nandriaka ny rà ary raha kely foana ny fahatongavany teny amin’ny hopitaly Hjra dia tsy avotra intsony ny ainy. Sendra mba tsara vintana izy satria nisy fiarakaretsaka sendra nandalo tamin’ny fotoana nitrangan’ilay asa ratsy. Io no nitondra azy faran’izay haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Voatery nodidiana avy hatrany ilay tovolahy mba ho fanavotana ny ainy. Raha ny fantatra dia nisy namany iray ihany koa isan’ny naratra saingy tsy dia naninona loatra. Na teratany malagasy ihany aza ny naratra, mazava ho azy fa tsy afaka ny hitondra laza tsara ho an’ny fireneny izy rehefa miverina any ivelany any. Ny antony dia tsotra, ny ainy no saika nanaraka. Manaraka izany, roa izany izao ny mpaka rivotra avy any ivelany niharan’ny asan-jiolahy teto an-drenivohitra tao anatin’ny iray volana monja. Ny voalohany dia maty voatifitra variraraka tetsy Mangasoavina-Besarety. Izy dia karàna izay mizaka ny zom-pirenena frantsay sy malagasy. Isan’ny tena manaratsy endrika voalohany ny firenena iray ny tsy fandriam-pahalemana ary mampihemotra ny mpizaha tany. Eto an-toerana indray lasa miaina anaty horohoro ny olona satria toa lasa tafiditra ao anaty andavanandrom-piainan’ny olona ny herisetra. Sakana avokoa izany rehetra izany ho amin’ny fampandrosoana.
D.R