- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Nisy nandroaka teny an-tsena ireo tsy nanana solomaso...

Ambatondrazaka : Nisy nandroaka teny an-tsena ireo tsy nanana solomaso hijerena tako-masoandro

Niteraka fimenomenonana ho an’ny mpivarotra sasany teo amin’ny tsenan’Ambatondrazaka ny nandroahan’ny olona  iray manana andraikitra ireo vahoaka nivarotra nandritra ny andron’ny alakamisy faha 1septambre 2016 ,satria nambara fa tsy manana solomaso  hijerena ny tako-masoandro ireo olona ireo ka tokony hiditra any an-trano. Tsy  nisy niala ireo mpivarotra fa samy nitabataba ity  rangahy nandroaka azy ireo  ity. Nampatahotra ny vahoaka mantsy ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray   tamin’ny onjapeo « fa raha tsy manana solomaso hijerena ny tako-masoandro dia tokony hihidy ao an-trano”, hany ka lasa natahotra ny vahoaka, indrindra ny teny ambanivohitra. Tsy ampy tanteraka ny fanentanana sy ny fisian’ireo solomaso hany ka betsaka ireo nilahatra ny farimasia  mba hitady solomaso ,nisy ihany koa ny nibizina ka tafakatra hatrany amin’ny  5 OOO Ar ny solomaso iray , ireo tansaha manana omby aza tsy namela ny omby hivoaka raha tsy mahazo solomaso ireo gaona mpiandry azy.Tamin’ny ankapobeany dia niaina tao anatin’ny fifaliana nijery ny tako-masoandro ny vahoaka  taty Alaotra  Mangoro.

Janus  R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici