- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Nafenina tao anaty lavaka ny kalachnikov

Moramanga : Nafenina tao anaty lavaka ny kalachnikov

Nifampitadiavana eran’ny tanàna ary tsy hita anefa raha tsy tany anaty lavaka, ny basy kalachnikov izay saika hamidy na hampanofaina. Niainga tamin’ny fisamborana lehilahy iray izay nisy nilaza tany amin’ny zandary fa mpivarotra kalachnikov ny raharaha. Nosokafana ny fanadihadiana ary nanondro an’i Rastà izy, izay nolazainy fa nividy ny basy. Nokarohina indray io farany ary rehefa voasambotra dia tsy nahitàna basy fa kosa rongony dimy kilao indray no tao an-tranony. Nandà ny fisian’ny basy izay novidiany izy, saingy tsy nampijanona ny fanadihadian’ny zandary izany. Ny vadiny no nahafantarana ny marina ary nilaza fa nafeniny ao anaty lava-pako ilay fitaovam-piadiana. Nangadiana ny toerana ary hita tokoa ny basy izay nifono harona tsy laitran’ny hamandoana. Olona roa no voatazona momba ity raharaha ity ary hatolotra ny fampanoavana raha vao vita ny fanadihadiana savaranonando ataon’ny mpitandro ny filaminana. Loza mitatao hatrany ny fiparitahan’ny basy, indrindra raha kalachnikov toy itony. Na tanàna iray aza mantsy mety ho ravan’izay mitazona azy, raha ampy ny bala.  Manamora ny fanatontosana ny fanafihana, mazava hoazy, ny fananan’ny jiolahy basy. Pôlitika iray lehibe mila hapetraky ny mpitandro ny filaminana ny ady amin’ny fiparitahan’ny basy ary izany dia miainga avy amin’ny fanadiovana anatiny, izany hoe ny fampiasana izany eo anivon’ny vondrona telo izay misy. Raha ny marina mantsy, dia tsy misy afa-tsy ny mpitandro ny filaminana ihany no manana kalachnikov izany ary izy ireo ihany koa no manana alàlana afaka mampiasa izany amin’ny fanatontosana ny asany. Dikany, raha lasa lavitra ny fanadihadiana ary vitaina hatramin’ny farany, dia tsy maintsy hita ny toby niavian’ny basy, ny vondron’ny mpitandro ny filaminana mampiasa azy ary farany ny olona izay nanao be vinany tao.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici