- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSoamahamanina : « Sprinter » nipitika kodiarana : roa maty, 18 naratra...

Soamahamanina : « Sprinter » nipitika kodiarana : roa maty, 18 naratra mafy

accidentNandriaka indray ny rà teny amin’iny lalam-pirenena voalohany iny, ny sabotsy alina, hifoha alahady lasa teo. Fiara “sprinter” iray no niharan-doza, rehefa nisy ny olana ara-teknika nianjady tamin’ilay fiara. Vokany, mpandeha roa no indray namoy ny ainy, 18 hafa kosa naratra mafy ka voatery nentina niakatra taty Andrenivohitra. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary, dia fiara “Sprinter” nofaina manokana nitondra ireo mpiasan’ny kaominina Anjomakely sy ny vady aman-janany, tany amin’iny faritra Ampefy, ka nitodi-doha hoaty Andrenivohitra ity niharan-doza ity. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina teo ho eo no nitranga ny loza, raha ny filazan’ireo nanatri-maso, kilaometatra vitsivitsy tsy hiditra an’i Soamahamanina iny. Nandeha faran’izay mafy ilay fiara, ka teo am-pidirana   fiolahana iny no nipoitra tampoka ny tsy nampoizina. Nipitika mantsy ny kodiarana aoriana taty amin’ny ilany an-kavian’ilay fiara. Noho ny hafainganam-pandehana mafy dia nivadibadika ilay fiara, vao nitrosina tamin’ny tany. Naratra avokoa ny iray fiara tamin’io fotoana io, saingy ny valo tamin’izany no tena voa mafy. Ireo fiara sendra nandalo, niampy ireo zandary tany an-toerana no nifanome tànana namonjy ireo naratra, ka nitondra izany tao amin’ny hôpitaly Miarinarivo. Tsy tonga tany akory anefa ny roa tamin’izy ireo dia namoy ny ainy. Nisy tamin’ireo naratra hafa kosa no nentina niakatra avy hatrany. Tato anatin’ny herinandro izay, dia saika namono olona mpitsangantsangana foana iny lalam-pirenena voalohany iny. Vao ny herinandro lasa teo tokoa mantsy, dia olona roa ihany koa no namoy ny ainy tetsy Amoroniriatra, rehefa nidona tamin’ny andrin-tany ny fiara nentin’izy ireo

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici