Ny alatsinainy maraina be tokony ho tany aminn’y 2 ora latsaka kely tany dia nisy nandroba ny tranon-dry masera teny Mandrosoa Ivato. Very tamin’izany ny vola 10 tapitrisa ariary, 10 000 euros ary entana marobe. Vao nahazo an’izany ireo jiolahy voalaza fa miisa hatrany amin’ny enina dia lasa nandositra. Efa nisy fiara niandry azy ireo tsy lavitra ilay toerana voaroba.
Ny loharanom-baovao no nahalalana fa toa efa fantapantatr’ireo mpangalatra ny trano horobaina. Etsy andaniny koa, nahalalana koa ry zalahy fa misy masera lehiben’ireo teo an-toerana ho tonga eny Ivato, io alina io. Manamarika hatrany ny vaovao fa teratany italiana io notsenaina io ary anisan’ny lehiben’ilay toby. Ny roa koa dia teratany italiana izay efa mipetraka ao amin’ilay toerana. Vao nandeha teny Ivato ireo relijiozy ireo dia tonga ny jiolahy nianika ny tamboho. Olona roa sisa tao an-toerana, hoy hatrany vaovao voaray teo anivaon’ny mpitandro filaminana. Toa efa fantatr’ireo mpangalatra ny toerana misy ny vola ary dia nalaina ny 10 tapitrisa ariary. Rehefa azony izany dia tsy mbola niala ny toerana izy ireo fa niandry tsy lavitra ilay tobin-dry masera. Lalana vita amina « pavé » no mandeha any ary tsy maintsy mandeha mora ny fiara rehefa eo akaiky. Avy hatrany dia nisy nitoraka ny fitaratra andaniny roa an’ilay fiara nitondra ireo masera. Voambana basy ny mpandeha rehetra ary ny mpamily aza dia voakapoka vody basy. Nisy olona iray koa naratran’ny vakim-pitaratra. Rehefa tsy nisy nahetsika intsony ny rehetra dia nalain’ireo bandy ny vola 10 000 euros sy ny entana marobe tao anaty fiara.
Vao niseho ny loza ary rehefa lasa ireo mpandroba dia nampandre ny mpitandro filaminana ireo niharan’ny halatra sy herisetra. Efa tsy nisy teny an-toerana intsony anefa ireo jiolahy. Efa misokatra ny fnadihadiana amin’izao fotoana izao.
r.s.