- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmboanjobe : Zazavavikely voadonan’ny fiara, naratra

Amboanjobe : Zazavavikely voadonan’ny fiara, naratra

Ny alahady maraina teo no nitrangana lozam-pifamoivozana teo amin’ny làlam-pirenena fahafito (RN7 PK14+900).  Zazavavy kely iray niala tao anaty taxi-be no voadonan’ity fiara Toyota ka naratra, tsy dia naninona loatra ity tovovavy ity fa dia nalefa nanaraka fitsaboana sahaza azy tao amin’ny SCBII Andoharanofotsy. Somary takona ilay fiara no maika ihany koa ny hiampita ilay tovovavy, tsy dia nandeha mafy loatra ilay fiara ka moramora ihany ny fifandonana, ny andro koa alahady ary amin’ny ora tsy dia fivezivezen’ny fiara loatra.

Mbola mpianatra ity tovovavy ary paoziny hamonjy fivavahana na ihany koa handeha hamangy havana no izao tra-doza izao. Hanentanana hatrany ny mpampiasa arabe mba ho mailo hatrany, na ny mpandeha  tongotra  na ny mpamily fiara, indrindra fa amin’ny làlam-pirenena izay hifamezivezen’ny fiara lehibe matetika mitondra entana amin’ny taonina maromaro.

ALEM

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser