- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmpefiloha : Fisamborana nafotaka

Ampefiloha : Fisamborana nafotaka

Tonga masiaka ny pôlisy, omaly, tetsy Ampefiloha. Nosakanana tamin’ny fiara tsy mataho-dàlana ny fiara kely iray ary nambanana basy ny olona tao anatiny. Nasaina nivoaka ary naondrika tamin’ny tany. Talanjona ny rehetra satria toy ireny ao anatin’ny filma ireny mihitsy no niseho. Nisy karàna ny iray tamin’ireo olona raha araka ny vaovao azo. Nentina avy hatrany teny Tsaralalàna ary nanomboka omaly ihany ny fanadihadiana. Hatreto, dia resaka fivarotana basy no antony nisamborana azy ireo. Fiarakaretsaka ilay nitondra ireo olona voasambotra ireo. Tsy mbola nandrenesam-peo aloha hatreto, ny mpitandro ny filaminana, momba ity raharaha ity satria vao nisokatra mihitsy ny fanadihadiana.

Tato ho ato izao, nandritra ny herinandro roa, olona maromaro no nosamborin’ny mpitandro filaminana tamina fivarotana basy etsy sy eroa ary ny tena angano, nisy voalaza fa nitonona ho mpitandro filaminana. Tsiahivina ilay ramatoa voalaza fa mpamatsy basy ny jiolahy any amin’ny faritra mafana maromaro. Teo koa ilay nitonona ho mpitandro filaminana mpamatsy fitaovam-piadiana ihany koa ary nahatrarana basy mahery vaika saika hamidy sy fitafiana fitondran’ny zandary. Tsy lazaina intsony ny nahazoana mpanao trafikana basy manerana ny Nosy ka anisan’izany ireo izay nafarana avy tany ivelany. Betsaka ny olona voarohirohy amin’izany.

r.s

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici