- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Raim-pianakaviana namonotena tamin’ny asidra

Toliara : Raim-pianakaviana namonotena tamin’ny asidra

Raim-pianakaviana manan-janaka roa mila ravinahitra any Toliara efa ho efa-taona no namonotena tamin’ny asidra afak’omaly. Izy efa nalemilemy novantanim-badiny avy niantsena. Na dia avotra soa aman-tsara aza ny tenany fa tsy afak’aina dia voalazan’ny mpitsabo fa voa mafy tokoa ary potika tanteraka ny taovam-pandevonan-kaniny. Raha ny angom-baovao dia resa-bola sy fampirafesana no fototry ny adin’izy mivady matetika, satria voalaza fa mamelona vadikely hafa any ivelany rangahy. Nanomboka ny zoma hariva teo  dia nihamafy ny gidraka, satria tsy nitondra vola nody efa ho herinandro ity lehilahy mpibizina finday ity.

Niezaka nandresy lahatra sy nanazava tamin’ny vadiny izy fa ratsy ny tsena, nefa tsy nino ity farany fa lasa any amin’ny vady faharoa daholo ny vola. Mbola nitohy ny tontolon’andron’ny asabotsy ny fifamaliana sy tabataba izay nanaitra indray ny  manodidina, na dia efa mahazatra ny mpiara-monina ny ady lavan’izy ireo. Asa noho ny adin-tsaina sy henatr’olona no nahatapakevitra ity lehilahy ity namonotena tamin’ny fisotroana asidra izao.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser