Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary teo anivon’ny borigady dia fantatra fa tao anatin’ny hamamoana ilay olona no tafiditra tao anatin’ny fefin’olona tsy nahy ka nahatonga ny tompon-trano hiantso vonjy, ka nahatonga ny fikasihan-tanana namparatra mafy ilay raim-pianakaviana, ny alin’ny 18 aogositra lasa teo. Niara-niaiky ny nataony avokoa ireo lehilahy telo, fa ity raim-pianakaviana maty ity tokoa ilay noratrainy. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ireo zandary satria mbola mipetraka ho baraingo ny nahatonga azy tao anaty tanimbary, satria samy nandà ny tsy nahafantatra ny nahatonga azy ho tao izy rehetra ireo. Tsy hijanona hatreo ny fitadiavana izay antony nahatonga ny fahafatesan’io olona io.
CATHY
Moramanga : Vono olona, telo lahy naiditra am-ponja
Articles qui pourraient vous intéresser