- Publicité -
samedi, septembre 13, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Fiara voaroba, lasa ny ordinatera, fankantsary sy « tablette »

Analamahitsy : Fiara voaroba, lasa ny ordinatera, fankantsary sy « tablette »

Omaly antoandro faha-7 septambra, fiara iray no fantatra fa nisy namaky ny fitaratra ary voaroba avokoa ny entana rehetra tao anatiny, toy ny ordinatera fitondra, fankatsary ary « tablette ». Voalaza fa nijanona teo amoron-dalana io fiara io. Araka ny fitantaran’ireo izay nahita ny fandehan-javatra dia tsy vao izao no nisy fandrobana amin’ny andro antoandro eny an-toerana, tsy lavitra ny « bassin », fa efa nisy teo aloha. Samy mahalala ny rehetra fa tsy lavitra eo dia misy ireny polisy mpandrindra ny fifamoivoizana ireny. Toa tsy mampihemotra ireo olon-dratsy anefa izany satria raha hitan-dry zalahy fa lasa miala ireo mpitandro filaminana ireo dia amin’izay izy ireo no manao ny ataony. Iny lalana voalaza etsy ambony iny dia efa nanjakan’ny mpanao sinto-mahery sy ny mpanendaka anaty fiara tany aloha tany. Maro ireo mpanao izany no efa voasambotra nefa dia izao miseho lany izao indray ity asa ratsin’ny jiolahy ity.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici