- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversSynoda lehibe faha-22 n’ny FLM : Tanterahina eto Antsirabe

Synoda lehibe faha-22 n’ny FLM : Tanterahina eto Antsirabe

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny alatsinainy teo ny synoda lehibe faha-22 n’ny Fiangonana Loterana Malagasy. Hahatritra 10 andro ity fihaonamben’ny FLM ity ka tsy hifarana izany raha tsy ny 14 septambra izao. Ao amin’ny fiangonana Loterana Antsirabe Antampontanana no hanatanterahana izany. Manodidina ny 500 eo ho eo ireo mpizaika tonga manatrika ity synoda lehibe ity. Hotanterahina manditra ity synoda ity ihany koa ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny FLM. Araka ny fantatra dia naharitra 12 taona no nitondran’ny mpitandrina dokotera Rakoto Endore Modeste ny FLM. Noho ny fetran’ny taona dia tsy afaka hilatsaka hofidiana intsony izy. Andrasan’ireo mpizaika maro noho izany izay mety handimby azy. Tsilian-tsofina no nandrenesana fa misy telo ny kandida hilatsaka hofidiana aorian’ny synoda dia ny filohan’ny synoda Antananarivo sy Fianarantsoa ary zokiolona avy amin’ny sekoly ambony loterana momba ny teolojia. Marihina fa mpifidy 430 mahery eo ho eo no hifidy ireo mpifidy vaventy miisa 130, misy laika sy mpitandrina izy ireo avy amina fikambanana eo anivon’ny FLM. Izy ireo avy eo no hifidy izay ho mpitantana sy ny birao handrafitra ny fitondravana vaovao mandritra ny 4 taona manaraka.

Mampiavaka ity synoda lehibe andiany faha-22 ity ny fanokanana synodam-paritany roa vaovao dia Melaky sy Sofia, ka lasa 25 ny synoda amin’izao fotoana eo anivon’ny FLM.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici