Miseho lany indray ny fifandirana amin’ny resaka ady tany eto Antsirabe. Andaniny ny kaominina milaza haka ny tany izay nambarany fa azy. Ankilany ny mponina mitonana fa efa nanajary ny tany an-taonany maro ka rariny raha tsy esorina eo amin’ny toerany izy ireo. Ao amin’ny fokontany Ambohimiarivo Andranonahoatra, manamorona ny lalam-pirenena faha-7 no misy azy ity. Raha ny fanambaran’ny solontenan’ireo mponina tamin’ny mpanao gazety dia saika efa nikitika io tany io avokoa ireo mpitondran’ny tanan’Antsirabe nifandimby teo fa tsy mbola nisy tonga tamin’ny fandroahana azy ireo. Efa hatramin’ny taona 1991 ireo mponina no nangataka ny tany tamin’ny fanjakana raha ny fanazavany hatrany. Efa nisy ny “reconnaissance” in-droa ary in’enina niakatra fitsarana ny raharaha fa nandresy hatrany ny mponina. Ankehitriny dia tonga mikitika ny tany indray ny kaominina. Ny alatsinainy maraina teo, akory ny hatarain’ny mponina raha nahita olona tonga nandrefy ny tany manodidina. Nilaza izy ireo fa iraka avy amin’ny kaominina fa ilaina ny tany. Raikitra ny kiririoka ary vetivety dia vory maro be ireo olona nanakana izany. Tsy tontosa teo ny fandrefesana ny tany ary niantso ny tompon’andraikitry ny kaominina ny vahoaka. Nisolo tena ny mpitondra ny tanàna teny an-toerana ny lefitra fahatelon’ny ben’ny tanàna, Atoa Randrianambinina Lucien. Tamin’ny fanambarany no nahalalana fa hisy tetikasa hiarahana amin’ny ambasady marokana eo amin’io tany lazana fa an’ny kaominina io. Hisy hopitaly sy “maternité” hatsangana ka tany mirefy 4Ha eo ho eo no ilaina. Nambaran’ireo mponina anefa fa efa misy tany mirefy 4Ha natokan’izy ireo hatry ny ela hananganana fotodrafitra raha misy izany, nefa dia ny tany amboleny sy ipetrahan’izy ireo no tadiavin’ny kaominina halaina. Tsy nisy moa ny marimaritra niraisana teny an-toerana nandritra io maraina io fa saika nivadika sakoroka aza ny fifampiresahana.
Mitaraina ireo mponina manodidina ny 325 eo ho eo fa manahy mafy ny ho aviny sy ny tany nohajariany an-taonany maro ka manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra hijery ity raharaha ity.
Andry N.