Efa ho naharitra ela i dadabe sy ilay zaza vao 12 taona ireto no niaraka fa tamin’ny fotoana nikatonany trano ny atoandron’ny Alahady lasa teo vao nisy nahatsikaritra ka nilaza tamin’ny ray amandrenin’ilay zaza ka dia noezahana novohaina ny trano, gaga ny rehetra fa efa miala ny kilaotin’ilay zaza sady notazominy ,nikoropaka i dadabe nampiakatra ny patalohany izay efa ery amin’ny faladiha . Tsy nanda ilay zaza raha nanontanian’ny fianakaviany satria nambarany fa manome vola azy ilay rangahy lehibe izay vao manao firaisana izy ireo ka omeny ny reniny ilay vola azo, ilay reny indray tsy mahafantatra na inona na inona fa dia mandray. Rehefa noentina nohamarinina tany amin’ny mpitsabo ilay zazavavy dia efa simba tanteraka ary tsy vao izao no nanaovany firaisana tamin’ingahibe .Tsy nanaiky izao tranga izao ny fokonolona manodidina ka nisambotra ilay lehilahy lehibe efa mananika ny 73 taona ka nampiakatra azy teny amin’ny fokotany ,ka ny fokotany indray nampiakatra azy tany amin’ny mpitandro ny filaminana ary nampidirina amponja i Dadabe .Toa mirongatra indray ny fitondrantena mamoafady amin’izao fotoana izao ka tokony samy hanaramaso ny zanany ny ray aman-dreny.
Janus R