- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversFamonoana an’i Honorine (Akamasoa) : Voasambotra ihany i Jacky, ilay tena tompon’antoka...

Famonoana an’i Honorine (Akamasoa) : Voasambotra ihany i Jacky, ilay tena tompon’antoka tamin’ny famonoana

Roatokom-bolana aty aoriana, voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava ihany i Herilala Jacky, ilay tovolahy 20 taona, voalaza fa atidoha nikotrika ilay famonoana ho faty, tamin’ny fomba feno habibiana an-dRtoakely Rasoamanalina Honorine, filoha lefitry ny Akamasoa. Efa namoahana taratasy fampitadiavana moa ity tovolahy ity, izay araka ny vaovao hatrany, dia isan’ireo taizan’Itompokovavy ihany fony fahavelony, niaraka tamin’ilay ankizilahy antsoina hoe Haja, izay efa voasambotra ka nampidirina teny amin’ny toby fitaizana zaza maditra eny Anjanamasina. Teny amin’iny tetezana Ampasika iny ny tovolahy no tafalatsaka tao anatin’ny vela-pandriky ny pôlisy ny faran’ny herinandro lasa teo. Tamin’ny fanadihadiana natao azy, araka ny fampitam-baovao hatrany no nahafantarana, fa tsy nisy afa-tsy izy irery ihany no tompon’antoka tamin’ny famonoana ho faty ity olona nitaiza azy ity. Ny antony hatreto, dia mijanona ho resaka fialonana sy lonilony hatrany. Rehefa avy novonoin’izy ireo tamin’ny fomba feno habibiana i Honorine, ny alin’ny 21 May lasa teo, dia niaraka izy sy ilay zandriny antsoina hoe Haja naira-nanary ny vatana mangatsiakany tanaty tatatra, 30 metatra niala ny tranony, teny Mahatony. Ary dia ireny niaraha-nahalala ireny ny tohin’ny raharaha. Tsiahivina fa, efa nisy olona telo no nosamborina tamin’ity raharaha vono olona ity ary efa samy nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa sy nampidirina teny Anjamanasina, talohan’ny nahatrarana an’i Jacky izao. Araka ny fantatra hatrany, dia ny talata lasa teo no namerenana ny tranga niseho io alin’ny 21 may io teny an-toerana. Omaly kosa no natolotra ny Fampanoavana i Jacky ary nadoboka eny Tsiafahy avy hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici