- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Voasambotra i Soada, mpanendaka rain-dahiny

Ampasampito : Voasambotra i Soada, mpanendaka rain-dahiny

Ny talata lasa teo, lehilahy iray 40 taona,  fantatra amin’ny maha-mpanendaka rain-dahiny azy, no voasambotry ny pôlisy teny amin’iny faritra Ampasampito iny. Mipetraka eny amin’iny faritra Anosipatrana Andrefana iny ity mpanendaka antsoina hoe Soada ity ary isan’ny nandray anjara tamin’ny fanafihana sy ny fanendahana teny amin’iny faritra Anosipatrana iny, tapa-bolana lasa izay. “Nisy tovolahy iray nendahina lehilahy  efatra nitondra sabatra teny Anosipatrana akaikin’ny Trano Dimy. Very tamin’izany ny finday sy ny vola ary fanalahidina moto. Nandeha ny fikarohana nataon’ny Polisy ka voasambotra ny telo lahy ary efa migadra eny Antanimora raha tafaporitsaka kosa ny namany iray” hoy ny vaovao. Ary dia izao tra-tehaka teny Ampasampito izao ny lehilahy rehefa tsy afa-niala intsony tanatin’ny vela-pandriky ny pôlisy. “Tamin’ny famotorana natao azy, dia niaiky izy fa nandray anjara tamin’io fanendahana niseho, ny alin’ny 27 aogositra io. nilaza ihany koa izy fa maro ny fanafihana efa vitany niaraka tamin’ireo namany efa any am-ponja ireo, toy ny fanafihana ilay mpivarotra fahana finday teny Andavamamba sy famakiana tsena sy epicerie teny amin’ny manodidina. Fantatra ihany koa fa efa nigadra i Soada ny taona 2014 resaka halatra ihany”. Omaly ihany moa no natolotra ny Fampanoavana i Soada, ary nampidirina am-ponja indray. Inoana araka izany fa hilamindamina indray iny faritra Anosipatrana iny taorian’izao nahasamborana ny rain-dahiny amin’ireo mpanendaka izao.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici