Nanararaotra ny fitohanan’ny fifamoivoizana ireo mpandroba mitam-basy, tetsy Bekiraro-Isotry. Vao nanomboka maizina ny andro satria manodidina ny tamin’ny enina ora sy sasany hariva no nisehoan’ilay fanafihana nitranga ny alarobia teo. Efa-dahy izy ireo no tompon’antoka ary nandeha tsiroaroa tamin’ny scooter roa. Nijanona ary namoaka basy amin’izay rehefa nifanandrify tamin’ireo fiara marobe izay tsy afa-nihetsika noho ny fitohanana. Nambanana tamin’ilay fitaovam-piadiana ny olona tao anaty fiara ary nasaina nanome ny finday sy ny firavaka volamena teny am-bozona. Tsy ny olona tao anatin’ny fiara iray ihany no niharan’izany fanafihana hafakely izany, satria notetezin’ireo olon-dratsy nitaingina moto izay nifanitsy taminy. Nisy olona nahatsikaritra ka saika hanohitra saingy napoakany ny basy no sady nanomboka nitsoaka tamin’izay ny mpanafika. Mbola feno olona nifamezivezy teo an-toerana ary ny làlana rahateo tsy nalalaka vokatry ny fitohanana, kanefa dia sahin’ireo ny nanatontosa ilay asan-jiolahy. Saika hamonjy ihany ny olona nahita ary ireo efa voatafika rahateo mba nikasa ny hanohitra, saingy vao nirefotra ny basy dia tapitra hatreo ilay fikasàna. Ny manodidina ihany koa vao naheno an’izany, dia tsy nisy sahy niditra an-tsehatra. Afaka nitsoaka mora foana arak’izany ireo olon-dratsy rehefa vita ny fanafihana. Finday maromaro sy firavaka volamena no lasa ary izany rahateo no tena nokendren’ireo mpanafika, raha ny fiheverena azy. Raha ny fanazavana azo avy tamin’ny mpitandro ny filaminana mantsy, dia ireo avy hatrany no nanontaniana raha vao tsy maintsy namaha ny varavaran’ny fiara ireo olona tao anatiny. Matetika ihany no misy ny fanararaotan’ny mpanao sinto-mahery ny fitohanan’ny fifamoivoizana, saingy ity indray mitoraka ity dia hafakely ny fisehoan’ilay asan-jiolahy : nampiasa basy ary notetezina ny fiara. Midika izany rehetra izany fa mivoatra hatrany ihany koa ny fomba fanafihan-jiolahy eto An-drenivohitra.
D.R