- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025

Tapatapany

# Mitaraina ny olona noho ny nafitsoky ny mpanao sinto-mahery. Tao anaty bus zotra 139 izay mandalo eo Ampandrana, tsy mifanalavitra aminin-dRasalama, no nisy vehivavy iray izay lasan’ny mpanendaka ny findainy. Tsy nihazakazaka akory ilay tanora mpangalatra rehefa azony ny finday. Roa lahy izy ireo ka ny iray izay efa rangahy manodidina ny 35 taona eo no mijirika sy mibaiko ary ilay tanora manodidina ny 17 taona eo kosa no manao ny “opération”. Matetika loatra ny fanendahana ary feno ireo mpanao sinto-mahery eo an-toerana.

# Maty ilay zaza noforain’ny rain-jaza. Efa nihena ny heriny izay vao tapa-kevitra ny ray aman-dreniny ny nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Tsy nisy azo natao intsony satria zaza efa niala aina no noraisin’ny mpitsabo. Roalahy izy ireo no noforaina, raha maty ilay iray dia tsy nanaiky kosa ny mpitsabo raha tsy nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly ilay faharoa izay mbola velona. Nolazain’ny mpitsabo, fa natahorana ihany koa ny ainy raha tsy voatsabo.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici