- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnosimahavelona : Miaramila voatafika, lasa ny basiny

Anosimahavelona : Miaramila voatafika, lasa ny basiny

Tsy mifidy asiana! Na olon-tsotra na mpitandro filaminana ankehitriny dia samy lasibatry ny jiolahy avokoa. Toy ity nitranga tetsy Ankazotoho Anosimahavelona ity, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy lasa teo. Lehilahy iray, izay mitonona ho miaramila no notafihana telolahy tao an-tokatranony, tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any. Lasa tamin’izany ny basiny, niaraka tamin’izay vola rehetra tao. Nanao amboletra niditra tao amin’ity trano ity, ireo olon-dratsy, raha ny fanazavàna azo avy amin’ireo mpitandro filaminana, raha iny mbola sondrian-tory iny ny tompon-trano. Voambana fitaovam-piadiana teo am-pandriana izy, araka ny vaovao hatrany ka tsy afa-nihetsika intsony. Nanao izay danin’ny kibony nisava ny rehetra tao an-trano araka izany ireo olon-dratsy, naka izay zakany. Anisan’izany ny basy poleta marika “Makarov” iray, fitondran’ity rangahy ity miasa niaraka tamin’ny fitoeram-bala sy bala maromaro, izay efa nafenina tany anaty larimoara. Lasan’izy ireo ihany koa ny vola rehetra tao amin’ity trano ity, araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Toa izay mihitsy angamba no efa notadiavin’ireo olon-dratsy satria dia tsy naharitra ela fa vantany vao azony ireo dia nitsoaka ireto farany. Taorian’izay vao afaka niantso vonjy ity rangahy voatafika ity. Tonga avy hatrany teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana raha vao naharay ny antso saingy efa nanjavona tanteraka ireo olon-dratsy. Ilay tanàna ihany koa somary kizokizo ihany, raha ny fanazavàna azo. Efa mandeha araka izany ny fanadihadiana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici