- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Lehilahy nofaohin’ny kamiô, maty nipotsaka atidoha

Ambohidratrimo : Lehilahy nofaohin’ny kamiô, maty nipotsaka atidoha

Aina iray indray no nafoy tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny ny alakamisy hariva lasa teo. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona teo ho eo no maty tsy tra-drano rehefa avy nodomina kamiô, teny amin’iny faritra Alakamisy  Ambohidratrimo iny. Mafy dia mafy ny dona nahazo azy, raha ny fampitam-baovao azo satria dia nipitika lavitra ny toerana nahavoadona azy izy, ary nitsikasina tamin’ny tany. Vaky, niparasaraka tanteraka ny lohany, ary niparitaka teny amin’ny arabe ny atidohany.  Araka ny  fantatra dia toa hoe karazan’irony mpivarotra finday amoron-dalana itony ity tovolahy ity. Tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza dia nisy saika hividy finday teo aminy. Tsy fantatra anefa izay niseho fa niafara fifamaliana ny ady varotra, ary  tonga hatramin’ny fikasihan-tanana mihitsy. Voatosika teny amin’ny arabe ity ranamana ity, kanjo tamin’izay fotoana izay no sendra nipoitra tampoka avy any ny fiarabe iray nandeha mafy. Voafaoka teo amin’ny andilany izy, raha ny vaovao hatrany ary nipitika nony avy eo, ka ny lohany no niakarapoka mafy tamin’ny arabe. Nandriaka ny rà, ary teo noho eo ihany dia namoy ny ainy ilay voadona. Efa nomena ny fianakaviana moa ny razana. Fantatra kosa fa notazomina natao fanadihadiana eny anivon’ny mpitandro filaminana ny mpamilin’ilay fiara.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici