Fivarotana zava-pisotro iray ao amin’ny kaominina Dabolavo no lasibatry ny jiolahy mitam-basy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Marihana fa, Ben’ny tanàna any an-toerana ihany no tompon’io fivarotana io. Vokatr’izay, maty voatifitr’ireo olon-dratsy ny renim-pianakaviana iray, vadin’ilay ben’ny tanàna, olona efatra tao an-trano kosa no naratra mafy. Vola an-tapitrisany, niampy entana isan-karazany kosa no lasan’ireo tsy mataho-tody. Tsy tao an-toerana kosa ity tompon-trano ity tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana. Araka ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy, dia tokony ho tamin’ny sivy ora alina no nanao amboletra niditra ireo olon-dratsy, fotoana mbola nivohan’ilay “bar”. Ny basy avy hatrany no niresaka tamin’io fotoana io. Niantefa teny amin’ny tratran’ilay renim-pianakaviana ny bala. Niditra teo aloha ary nivoaka tao amin’ny lamosiny. Maty tsy tra-drano vokatr’izay ity vehivavy ity. Fa ambonin’izay, dia mbola nisy vehivavy iray mpanampy tao an-trano ihany koa niantefan’ny bala. Naratra mafy ity farany ary mbola somary atahorana ny ainy, raha ny vaovao hatrany. Nisy mpanampy hafa telo ihany koa naratra, rehefa nodarohan’ireo olon-dratsy tamin’ny tavoahangy ny lohany. Ireto naratra ireto moa dia efa samy nalefa haingana avokoa teny amin’ny toeram-pitsaboana tany Antsirabe . Etsy andanin’izay, efa nanokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo jiolahy ny mpitandro filaminana.
m.L