- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversValan-javaboahary Ampisikina : Gidro am-polony maro novonoina sy natono, olona roa nosamborina

Valan-javaboahary Ampisikina : Gidro am-polony maro novonoina sy natono, olona roa nosamborina

Tranga hafakely no niseho tany amin’iny faritr’i Sava iny faran’ny herinandro lasa teo. Olona roa no voatery nosamborin’ny tomponandraikitry ny filaminana tao amin’ny valan-javaboahary Ampisikina Antalaha. Teny an-tanan’izy ireo, gony lehibe roa, feno gidro efa maty. Vinavinaina ho am-polony maro any ireto gidro ireto, izay fantatra amin’ny anarana hoe “Akomba”. Ny sasany amin’ireto biby ireto dia efa voatono sy nasaly. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia azo heverina fa tao amin’ity valan-javaboahary ity ireto olona ireto no nihaza ireto biby mahantra ireto. Zavatra izay voararàn’ny lalàna eto amintsika. Somary nahamailo ireo mponina ihany mantsy ny nahita azy roalahy ireto nivesatra ilay gony lehibe roa. Izy ireo ihany koa izay somary kaodikaody ihany, antony iray nahatonga any olona hisava izay zavatra nentiny. Tamin’izay fotoana izay no nahitana fa gidro marobe no tao anatiny. Nantsoina avy hatrany ny tomponandraikitra izay nisambotra azy ireo ary nanao ny fanadihadiana. Hatreto anefa dia mipetraka ny fanontaniana, sotasota sa saika haondrana ? Ary saika alefa aiza ireto biby efa maty ireto sa iza no mpandray azy ? Tsapa ho miha-mahazo vahana tokoa ity fanimbana sy fanondranana harem-pirenena ity tato ho ato. Raha miha-mahazo vahana ny fanondranana sokatra, nisoko miadana ary tsy re tsaika ihany koa ny amin’ireo biby mandady tsy misy afa-tsy eto, dia izao mipoitra izao indray ny famonoana gidro. Ary raha tsy misy fepetra raisina haingana, indrindra fa avy amin’ny fanjakana sy ireo vondron’olona sy fikambanana isan-karazany milaza fa miaro ireo harem-pirenena dia ho lany tamingana ireo biby mampiavaka antsika. Inoana mantsy fa mety mbola misy namany hafa ireto roalahy ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici