- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025

Tapatapany

# – Ivato. Moto nifandona, maty ny mpitondra ny iray. Ny faha-10 septambra teo, tamin’ny 6 ora hariva, nifandona ny moto roa, ny iray avy any Ivato nentin’ny lahilahy 19 taona monina ao Talatamaty izay nifanehitra tamina moto BMW. Voalazan’ny vaovao fa nandeha mafy ny iray tamin’izy ireo. Samy naratra mafy ny roa, rehefa nentina teny amin’ny hopitaly Ambohibao anefa dia namoy ny ainy ilay nitondra Scooter. Ny zandary avy ao amin’ny PA Ankadindravola no misahana ny fanadihadiana.

# – Ankazobe. Efadahy nanafika trano iray. Ny alin’ny faha-10 septambra teo, jiolahy voalaza fa miisa efatra no nanafika trano iray tao amin’ny tanàna Tsarazotra, kaominina Miantso, any Ankazobe. Nitondra basy PA vita gasy tsy nisy bala izy ireo niaraka tamina zava-maranitra. Tsy nanaiky ny tompon’ny trano fa nanohitra. Voakapa teo amin’ny lohany ny jiolahy iray ary latsaka avy any aminy ny basy. Na izany aza, afaka nandositra ry zalahy ary nahazo entana ihany rehefa avy nandratra ny tao an-trano. Very tamin’io alina io ny vola 5 000 Ar, lecteur DVD sy zavatra hafa. Efa any amin’ny biraon’ny zandary ilay basy tratra.

# -Bealalana. Mpirahalahy nifanindrona antsy, maty ny iray. Tamin’ny herinandro lasa, ny faha-8 septambra, nifamaly ny mpirahalahy tany amin’ny teorana antsoina hoe Ambalafahabe, any Bealalana. Tsy nijanona ho fifamaliana anefa izany fa nisy ny tora-bato sy ny tsatoka antsy. Maty vokatr’izany ny iray. Raha vao nahita izany ilay faharoa dia lasa nandositra niala ny tanàna. Tonga tany an-toerana ny zandary avy ao amin’ny PF Ambatofia sy ny dokotera nizaha ny zava nisy. Efa karohina ilay nahavanona ny loza.

# – Port-Berger. Doro tanety nahamay trano 36. Ny faha-10 septambra teo, tokony ho tamin’ny 5 ora maraina, trano 36 no indray kilan’ny afo tao amin’ny tanàna antsoina hoe Andrafiandramaneso, fokontany Ambovomamy. Nisy doro tanety niseho tamin’io andro io ary nitatra tany amin’ny trano fonenana. Tombanana ho 35 tapitrisa ariary ny zavatra may, vokatra voanemba sy katsaka. Olona 96 no traboina.  Efa any an-toerana ny zandary avy ao Ambovomamy nizaha ny zava-nisy sy manao ny fanadihadiana.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici