- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversFLM : Lany ho filoha Pasitora David Rakotonirina

FLM : Lany ho filoha Pasitora David Rakotonirina

Lany ho filoha hitantana ny Fiangonana Loterana Malagasy ny Pastora David Rakotonirina. Naharitra efa ho tapakandro mehery ny fifidianana omaly Talata 13 Septambra izay natao tao amin’ny Fiangonana Loterana Antapotanana Antsirabe. Naharitra ora maro mihitsy ny fifidianana ary niovaova  be ny salan’isa azon’ireo mpilatsaka satria niakatra hatramin’ny fihodinana faha efatra ny fifidianana. Marihina fa Pasitora telo mirahalany ireo nilatsaka hofidiana: Lotera  Fabien,  David Rakotonirina ary Dieu Donné Randrianirina. Nitarika tamin’ny isa 214 ny Pasitora Lotera Fabien tamin’ny fiodinana voalohany raha toa ka 185 kosa ny vato azon’ny Pasitora David Rakotonirina, 65 kosa ny vaton’ny pasitora Dieu Donné Rakotonirina. Teo amin’ny fiodinana faharoa mbola nitarika tamin’ny isa 222 ny Pasitora Lotera Fabien ary 203 kosa ny Pasitora David Rakotonirina ary nihena 38 ny vaton’ny kandida Dieu donné Rakotonirina. Teo amin’ny fiodidina fahatelo nitovy ny vato azon’izy mirahalahy nitarika, samy nahazo 233 avy ny tsirairay. Niakatra fihodinana fahefatra ny fifidianana ka teo no nahalany an’ny Pasitora David Rakotonirina tamin’ny vato 242 raha toa ka 222 kosa ny an’ny Pasitora Lotera Fabien. Araky ny angom-baovao teny an-toerana omaly hariva io ihany, dia nahatratra 466 ny isan’ny mpifidy ahitana pasitora sy laika, maty ny vato roa nandritra ny fihodinana farany. Hatramin’ny ora hanoratana izao dia mbola mitohy ny fifidianana satria raha ny fantatra dia fidiana aorian’ny fifidianana ny filoha ihany koa ny filoha lefitra sy ny birao rehetra handrafitra ity fitondrana vaovao ity. Efa-taona ny faharetan’ny fitondrana izay hotarihan’ny Pasitora David Rakotonirina, lohahevitra nosafidiany voarakitra anaty boky misy ny fandaharan’asany ny hoe “ Tsy miatrika ny efa eo ihany, fa mila mijery lavitra isika « .

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici