“Nampandohaliana hatramin’ny ankizy …”. Omaly vao mangiran-dratsy tokony ho tamin’ny 3 ora maraina tany ho any. Andian’olona mirongo basy no niditra an-keriny tao amina tokantrano iray teny amin’iny faritra 67ha iny. Tokantrano izay tsy an’iza, araka ny fantatra fa an’ny depiote iray voafidy tany Mahajanga. Nanao saron-tava avokoa ireto andian’olona ireto raha ny filazan’ireo teny an-toerana ary nanao amboletra niditra tamin’ny alalan’ny famakiana varavarana. Nasain’ireto olon-dratsy ireto nampandohaliana avokoa ireo olona rehetra tao an-trano, hatramin’ny ankizy hoy hatrany ny angom-baovao. Nanao izay danin’ny kibony nikarokaroka eran’ny trano ireto olona ireto. Ary lasa avy eo. Fantatra fa solosaina fentin-tanana sy finday maromaro no very taorian’izay. Tsy vitsy ireo teo amin’ny manodidina no naheno sy nahatsikaritra ny zava-nitranga tao amin’ity tranona solom-bavam-bahoaka ity saingy tsy nisy sahy nivoaka sy nanampy noho ny tahotra ny basy izay narangaragan’ireto andian’olona ireto. Fantatra kosa, raha ny angom-baovao teny an-toerana hatrany fa tsy tao an-trano tamin’io fotoana ity olom-boafidy ity. Tato ho ato dia tsapa ho mirongatra tokoa ny resaka tsy fandriaham-pahalemana. Tsy olon-tsotra, tsy mpitandro filaminana, tsy manam-pahefana, tsy Malagasy, tsy vahiny, fa dia samy efa lasibatra avokoa. Vao tamin’iny faran’ny herinandro ity tokoa mantsy no fantatra fa nisy minisitra teo aloha notafihan’ny jiolahy mirongo basy tao an-drenivohitr’i Boina tao. Porofo ve izany fa efa tsy voafehin’ireo tomponandraikitra intsony izy ity ? Tsy mahagaga tokoa raha miha-mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka.
m.L