# – Maintirano. 40 lahy nangalatra omby. Dahalo telo maty. Rikitra ny fifandonana tamin’ny mpanaradia sy ny mpangalatr’omby tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohimaro any Ambatomainty ny faha-11 septambra lasa teo. Vokany, dahalo telo no fantatra fa namoy ny ainy. Ny fatin’ny iray ihany anefa no hita teny amin’ny toerana nifanandrinana fa ny roa nentin’ireo namany nandositra. 66 ny omby lasan’ireo mpangalatra tamin’io alina io. Nanao izay ho vitany ny zandary avy ao amin’ny borigady Ambatomainty nampian’ny miaramilan’ny DAS ao Ambatomainty niaraka tamin’ny fokonolona. Tamin’izany raikitra ny fifandonana. Tafaverina amin’ny tompony ny omby 56.
# – Port-Berger. Asan-jiolahy sy fanolanana. Vehivavy iray no niharan’ny fanolanana tany amin’ny fokontany Andrebavontsina any Port-Berger. Tsy dia mazava loatra ny fandehan-javatra raha ny vaovao fantatra no lazaina. Ny faha-13 septambra tamin’ny 2 ora tolakandro, bandy miisa efatra nitondra basy vita gasy sy antsy no nanafika trano iray. Rehefa tao amin’ilay trano ry zalahy ireo, tsy naka na inona na inona. Ny vadin’ilay tompon-trano ihany no nentiny nanaraka azy. Samy gaga ny rehetra. Na izany aza, nanao ny fikarohana io vehivavy io ny zandary avy ao Port-Berger niaraka tamin’ny fokonolona. Teny an-dalana, nifanena tamin’ilay vehivavy efa novotsoran’ireo olon-dratsy ireo mpanaradia. Tamin’izay no nahafantarana fa nalefan’ireo bandy ity ramatoa ity rehefa avy naolany. Misokatra ny fanadihadiana ary ny zandry avy ao Port-Berger no lisahana izany.
# – Ambato Boeny. Trano may. Tafiakatra 32 tapitrisa ny entana may. Tamin’ny 3 ora sy sasany marina, nireheitra ny trano fitehirizana zava-pisotro an’ny STAR tany amin’ny toerana antsoina hoe « 2e quartier » any Ambato Boeny. Tsy fantatra aloha hatramin’izao ny antony nahatonga ny fahamaizana. Ny vaovao koa nilaza fa tsy nisy olona tao amin’ilay trano tamin’ny fotoana nitranagan’ny loza.Nihidy avy any ivelany ny varavarana. Mahatratra hatrany amin’ny 32 tapitrisa ariary ny fahasimbana hita tao. Nidina tany an-toerana ny zandary manao ny fanadihadiana ifotony.
.# – Malaimbandy. Zandary iray naratra, dahalo iray maty. Ny faha-13 septambra, nisy fanafihan-dahalo niseho tany amin’ny fokontany Antazoa any Malaimbandy, vokany, zandary iray naratra voatifitra teo amin’ny feny. Ankoatra izany, dahalo iray hafa kosa no maty, voatifitra ihany koa. Nandositra avokoa ireo namany taorian’izany. Dahalo1 5 lahy no indray nanafika tamin’io andro io nitondra basy kalach sy basim-borona.
Nangonin’i r.s.