- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Mpanendaka tratra, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Andravoahangy : Mpanendaka tratra, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Mirongatra  tanteraka  ny asa ratsin’ireo tsy mataho-tody  indrindra fa eny amin’iny faritra Andravoahangy iny, ny andro  alarobia  moa no tena maro ary  tsy voatanisa   izy ireo  araka ny maha  betsaka ireo mpiantsena, satria tsenan’ Andravoangy tokoa io andro io, misy amin’izy ireo no mbola zaza ary misy kosa no efa zokiolona. Mpanendaka iray indray no  tratra  ny alarobia teo , raha saika hanendaka renim-pianakaviana iray,  izay niaraka tamin’ny zazakely mbola menavava, tokony ho tamin’ny  11 ora sy sasany antoandro teo. Araka ny fomba  fanaon’ireo tompon’andraikitra  eny an- toerana moa dia izay  tratra dia iny volony  iny no hetezana,  na lahy na vavy tsy misy fanavahana, raha zavatra mbola tsy dia tena  lehibe toy ny(radio, kapa, akanjo,  ny harom-paosy sns,,,,,) fa ny an’ity mpanendaka iray ity kosa niaraka tamin’ny fitsaram- bahoaka, nanamparan’ireo vahoakan’Andravoahangy ny fony. Araka ny fanazavan’ireo  mponina sy mpivarotra eny amin’iny faritra iny dia toa efa isaky ny alarobia no misy tratra eny, naratra mafy dia mafy  tokoa moa ity mpanendaka ity, indrindra fa ny lohany sy ny tarehiny izay tena  voan’ny ny totohondry mafy. Tsy vitan’ny totohondrin’olon-tokana fa an’olona maro tokoa ary saika tsy niala raha tsy efa tonga ireo tompon’andraikitra nandamina ny teny an-toerana.

FINARITRA (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

6 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici