- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Ho hentitra ny mpitandro filaminana amin’ireo taxi-be tsy manara-dalàna

Antsirabe : Ho hentitra ny mpitandro filaminana amin’ireo taxi-be tsy manara-dalàna

Amin’izao  ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao, tsikaritra ho efa miverina indray ny fahamaroan’ny mpivezivezy mpampiasa ny lalana eo Antsirabe. Maro anefa ny tsy manara-dalàna,  indrindra fa ny taxi-be manao izay tiany hatao, sy minia tsy manaja ny fitsipika sy  lalàna mifehy azy ireo.  Ankoatra ny fifanenjehana ataon’ireo zotra sasany dia  maro koa ny  mitaraina fa tsy tonga hatrany amin’ny farany intsony ny taxi-be sasany raha vao migadona ny amin’ny  6 ora hariva na dia efa misoratra ao amin’ny bokin’andraikitra aza ny faran’ny zotra andehanana. Mampimenomenona ny mpandeha koa ny fijanona ela loatra amina fiantsonana iray nefa dia iaraha-mahita izao fa tsy misy  olona  midina na alaina. Nambaran’ny teo anivon’ny polisy fa tsy azo atao avokoa izany rehetra izany, indrindra ny manala olona  amin’ny toerana tsy natokana ho amin’izany.  Raha ny fahitana ny  zava-misy eto Antsirabe anefa dia samy manao izay daninin’ny kibony avokoa ireo mpampiasa ny lalana  rehetra, indrindra fa ny cyclo  posy izay mitera-doza matetika ary saika efa ho isan’andro mihitsy.

Antenaina fa handray ny andraikiny koa ny kaominina eo amin’ny fandaminana ity lafiny fifamoivoizana ity satria tsy afaka ny handeha ila ny asa.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici