- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : « Mpampihorohoro » voasambotry ny pôlisy

Itaosy : « Mpampihorohoro » voasambotry ny pôlisy

Lehilahy manodidina ny 30 taona no voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava teny amin’iny faritra Itaosy iny ny alahady lasa teo. Nambaran’ireo tompon’andraikitra voalohany ato amin’ity sampana ity fa voarohirohy ho mpiray tendro amin’ny vondrona mpampihorohoro ity ranamana ity. Nisy fitairanana azon’iretsy voalohany mantsy avy tamina kaompaniam-pitanterana iray avy any ivelany, manana  zotram-piaramanidina eto amintsika, ny amin’ny fisiana fandrahonana mahazo azy ireo izay ataona olona milaza fa mpampihorohoro. Milaza ilay fandrahonana, araka ny tatitra azo hatrany, fa hoe « hanapoaka fiaramanidina rehefa tsy tanteraka ny zavatra takian’izy ireo. Raha tamin’ity tranga iray ity dia mitaky vola 85.000 euros ilay olona. Ary ao anatin’ny hafatra alefany dia milaza izy fa « isan’ny mpikambana ao anatin’ilay vondrona mpampihorohoro eran-tany ». Tsy ity kaompania ity irery ihany anefa no efa tratran’izay fandrahonana izay fa kaompania maromaro tany ivelany. Mazava ho azy fa eo anatrehan’ity resaka fampihorohoroana  efa miparitaka be amin’izao fotoana izao ity dia tsy nandray izany ho ambanin-javatra mihitsy ireo voakasiky ny raharaha, na ny avy ivelany na ny teto an-toerana. Tamin’ny alalan’ny taratasy elektrônika na “mail” moa no nandefasan’ilay “mpampihorohoro” ity hafatra miendrika fandrahonana ity. Ka rehefa natao ny fizahana ifotony dia fantatra fa taty Madagasikara no fiandohany, ary tsy lavitra akory fa “cyber” iray tetsy Itaosy. Nanomboka tamin’izany no nanarahana maso ilay “cyber” ka teo no nahatratrarana an’ity lehilahy ity. “Tratra teo am-panoratàna “mail” mihitsy izy”, hoy hatrany ireo mpanao fanadihadiana. Tamin’ny famotorana sy fisavàna ny “mail”-ny ihany koa no nahafahana nilaza fa ity rangahy ity avokoa no tompon’antoka tamin’ireo fandrahonana rehetra azon’ireo kaompaniam-pitanterana. Mipetraka ny fanontaniana, mitsapatsapa fotsiny sa tena mpampihorohoro? Nilaza aloha ny teo anivon’ireo pôlisy fa mbola tsy fantatra na tena ao anatin’izay vondrona izay tokoa ny tenany na tsia. Natolotra ny fitsaràna omaly ihany moa ity rangahy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici