Fainga Tanana, ary ny fihetsika tsy maotina tsy voahevitra ahitan-doza. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona eo no voadaka am-bavafo rehefa nitsapa fitombenam-behivavy, omaly hariva tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, tany Toliara. Tsy hay izay nahazo an’ity rangahy, izay nipetrapetraka teo amin’ny lalana mihazo ny amoron-driaka iny. Nantsoiny ny tovovavy iray avy nianatra nandalo teo, nefa tsy niraika fa nanohy ny diany. Nitsangana rabaina dia nanaraka tao afara sady nitsapa ny fitombenan-drakala.
Tezitra ity farany sady nanontany ny anton’izao no nanosika azy. Tsy rototra rangahy sady nihomehy no saika mbola hamerina fanindroany ilay fihetsika mamoehatra, nefa daka nandrivorivo no niandry azy. Nandraiky narary radada ka saika hikasi-tanana an-drakala, nefa nakorain’ ireo olona nanomboka nitangorona. Hany hery niala mora sady nitanondrika. Voadaka am-bavafo sady fanina fa tsy mahay miaina. Tandremo ihany ny fihetsika hafahafa fa maro amin’ny vehivavy amin’izao no mahay haiady.
Manitrisa