- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodisaina Toamasina II : Tovolahy 12 taona hita faty, nihantona tamin’ny tendany.

Ambodisaina Toamasina II : Tovolahy 12 taona hita faty, nihantona tamin’ny tendany.

Tranga tsy fahita tao amin’ny fokontany Tsarahonenana Ambosaina distrikan’i Toamasina II no nitranga hitan’ny olona tany an-toerana omaly tokony tamin’ny 11ora antoandro.

Tovolahy vao 12 taona monja mantsy no hita faty nihantona tamin’ny tady ny tendany tao an-tranony. Raha ny fanazavana dia any ambanivolon’i Toamasina II ny ray aman-drenin’ity tovolahy maty ity, fa noho ny famonjeny fianarana dia mipetraka irery ny tenany, ka ireo ray aman-dreniny no mamatsy azy ara-tsakafo sy vola momba izany fianarany ao Toamasina suburbaine izany.

Tsy fantatra izany hatreto na famonoan-tena na nisy namono ity tovolahy 12 taona maty nihantona tamin’ny tendany ity. Eo am-panadiadiana izany ny mpitandro ny filaminana.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici