Bandy telo voalazan’ny vaovao fa nanao saron-tava, no nanafika trano iray teny amin’ny tanàna antsoina Analapanga Soavina Atsimondrano. Tamin’ny 13 septambra no niseho ity fandrobana ity tamin’ny 1 ora maraina. Voalazan’ny vaovao, fa nitondra antsy lava ireo mpanafika. Tsy fantatra ksoa aloha ny fomba nidirany ny trano fa rehefa tao anatiny ry zalahy vao taitra ny tompony. Teo anoloan’ny fitaovam-piadina narangaranan’ireto jiolahy, tsy afaka nanao na inona na inona ilay vehivavy tao an-trano teny Ankaraobato. Vokany, lasan’ireo mpandroba avokoa ny entana sarobidy rehetra toy ny fahitalavitra tsara tarehy, peratra volamena teny amin’ny tànan’ilay ramatoa niampy peratra volafotsy. Vao nahazo izany ireo jiolahy, dia lasa niala ny tanàna. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana. Efa misokatra ny fanadihadiana ka ny zandary avy ao amin’ny PA Soavina no misahana ny famotorana rehetra. Matetika no isehoana fanafihan-jiolahy iny faritra iny ary anisan’ny tena mampihorohoro ny mponina ny zavatra ataon’ireo mpandroba. Tsy vitan’ny maka entana fotsiny ry zalahy, fa tonga hatrany amin’ny fidarohana sy fanolanana mihitsy aza indraindray.
r.s.