Fasana iray indray no vaky teny amin’iny faritra Ambohimalaza iny, vokany, razana 40 no nanjavona foana madiodio ny fasana. Efa tsy manaja ny loharano nipoirana intsony tokoa ny olombelona ankehitriny. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana, fa nisy razana roa navelan’ireo mpangalatra tao amin’io fasana io izay tsy fantatra ny antony. Araka ny fitantaran’ireo tompon’ny fasana, dia gaga tanteraka izy ireo ny amin’ireto razana roa tavela. Araka ny maha razana azy moa, dia tsy fantatra intsony ny endrika fa efa lo tanteraka, fianakaviana handeha hamadika no sendra izao loza mahatsiravina izao , vokatr’izany dia ireo razana roa sisa tavela no hany navadika ary nafindra fasana hafa mba hisorohana ny loza toy izao. Tsy nipetra-potsiny ny tompon’ny fasana nanoloana izany, fa nametraka ny fitoriana teny amin’ny manampahefana mba handraisan’izy ireo andraikitra.
Nangonin’i FINARITRA.R (Stagiaire)