Tetsy Andraisoro no nitranga ny raharaha. Tao anatin’ireny fanaovana karaoké ireny no raikitra ny fifamaliana teo anivon’ny tanora tao anatiny. Poa toa izay dia tonga tamin’ny fikasihan-tànana sy fampiasana fitaovana mandratra. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia tafahoatra tanteraka ny zava-niseho, raha heverina fa adiadin’ny tanora, satria niafara tamin’ny fahafatesana. Teo amin’ny tendan’ny iray tamin’izy ireo no nitsatoka ny vy maranitra ary nitarika ny fahafatesana avy hatrany. Nampandrenesina ny pôlisy ary tonga teny an-toerana, nanao ny fisamborana olona maromaro izay mety ho nisy nidirany tamin’ity raharaha ity. Tokony ho tamin’ny folo ora alina no nitranga izany ny faran’ny herinandro lasa teo. Misy ny olona hanaovana fanadihadiana eny amin’ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava. Nitohy hatramin’ny omaly izany. Be loatra ny tranga ratsy ao anatin’ny toerana toa ireny. Ankoatra ny fivarotan-tena ampahibemaso ataon’ny tanora ao anatiny dia mbola misy ihany koa ny adiady izay mety miteraka fahafatesana toy izao. Mendrika fanaraha-maso hentitra ny toerana toy ireny ary indrindra koa tsy tokony hivoha amin’ny alina. Aiza ho aiza ny fampiharana ilay lalàna izay mandrara ny “bar” sy ny “karaoke” tsy hivoha aorian’ny amin’ny sivy ora alina ? Nisy fotoana nampiasana hery mihitsy tamin’ny fampiharana izany ary niteraka resa-be aza. Izao dia toa miverina mandeha ho azy moramora indrany izany…
D.R