Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany teo no nitranga ny fanafihana. Ny zotra mankany Itaosy no niharan’izany ka telo lahy mitam-basy, “big boss” sy antsy no nanatontosa ny asaratsy. Nanararaotra ny fitohanan’ny fiara izy ireo nidirana tao anatin’ilay fiara fitaterana. Rehefa tafiditra tao dia nambanana tamin’ireo fitaovam-piadiana ny mpandeha rehetra. Nanaram-po,ka lasan’izy ireo avokoa: ny finday, ny firavaka, ny paoketra sy izay rehetra netinety taminy. Tao anatin’izay no nanjavona ny resevera, asa na nanavotra ny ainy na mahafantatra ireo mpanao ratsy kosa. Nipenimpenina ny olona satria very tao anatin’ny fotoana fohy ny vatsy kely mba saika nentina nody. Manginy fotsiny ny fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny finday, izay nataon’ireo jiolahy lasibatra voalohany tamin’ny fanendahana. Lasa fanaon’ny mpanendaka ity fanararaotana ny fitohan’ny fifamoivoizana ity mba hanaovana ny asany. Toy izay nitranga tetsy Bekiraro-Isotry, notetezin’ny olon-dratsy ireo fiara izay tratra tao anatin’izany. Norahonana tamin’ny basy ny olona dia nasaina namoha ny varavarana. Tsy afa-nitsoaka rahateo satria tsy afa-nihetsika ny fiara noho ny firaiketan’ny fifamoivoizana. Ny hany azo natao, dia nanaraka ny baikon’ireo jiolahy. Tsy nisy sahy nanohitra ny olona na nahita aza noho ny tifi-danitra izay nentina nampitaina hafatra fa hitifitra avy hatrany raha misy ny sahy hiditra an-tsehatra. Lasa tafiditra tanteraka ao anatin’ny zavatra eritreretina ny lafiny tsy fandriampahalemana isaky ny mivoaka ny trano ny olona eto An-drenivohitra. Tsy ao anatin’ny fitoniana ny maro amin’ny fanatontosana ny asa, satria maika ny hody, torak’izany ihany koa, tsy sahy ny mba mihaingohaingo tsara intsony raha toa ka mandeha an-tongotra. Misy akony amin’ny fivoaran’ny olona izany ary indrindra ihany koa amin’izay mety ho asa fampandrosoana any an-tsainy.
D.R