# – Ivato. Fanazaran-tena nataon’ny mpitandro filaminana. Omaly maraina dia samy gaga avokoa ny olona teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato raha nahita ireo andiana mpitandro filaminana marobe. Rehefa nalaina ny vaovao, fantatra fa nisy ny hetsika « sarin’ady » hisorohana ny sendra ny sarotra raha misy ny fanairana amin’ny hafitsoky ny ny mpampihorohoro mametraka, baomba, ohatra.
# – 67 Ha. Amin’ny faha-27 septambra no hotsaraina ny fifandiran’ny samy silamo. Fantatra izao teo anivaon’ny fitsarana fa amin’ny faha-27 septambra izao no hiakatra fitsarana ny disadisa misy eo amin’ny mpino silamo niseho teny amin’ny 67 Ha afak’omaly. Nifampitory teny amin’ny tiribonaly moa ry zareo ireo taorian’ny tsy fifanarahana nisy teo amin’ny lohandohany.
# – Antsirabe. Anio no hiatrika fampanoavana ilay zandary nitifitra mpandeha. Tsy tontosa omaly alarobia ny fiakaran’ilay zandary nitifitra nahafaty mpandeha tanaty taxi-brousse tamin’ny alahady lasa teo tany Antsirabe. Antony nanemorana ity fihainoana azy ity ny fitakian’ny mpampanoa lalàna ao Antsirabe ny tsy maintsy hanatrehan’ny fianakavian’ny maty ny fandehan-javatra ao amin’ny Fampanoavana. Efa tamin’ny 5 ora hariva anefa ry zareo ireo vao tonga ka izany no anisan’ny nanemorana ny fihainoana ny voampanga.
r.s.