- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversBesarety : Tovovavy efatra manendaka amin’ny alina

Besarety : Tovovavy efatra manendaka amin’ny alina

Vehivavy misoloky, mangarom-paosy, mivaro-tena, manao asa fitsikilovana. Izany dia efa faheno matetika. Fa ny vehivavy manendaka kosa dia izay vao tena nisy teto an-drenivohitra. Tetsy Besarety no nisehoan’izany ny alin’ny talata teo. Lehilahy iray no nataon’ireo andiam-behivavy lasibatra ary tena voaendaka tokoa. Rehefa nisy nahatsikaritra anefa ka saika hiditra an-tsehatra dia nivadika tanteraka ny rasa : ireo vehivavy indray no nilaza fa nendahin’ilay lehilahy. Tao anatin’izay no niala tsimoramora ireo efa-bavy ary nanjavona tany anaty elakelan-trano maizin’i Besarety tany. Mivoatra tanteraka ny trangam-piaraha-monina ankehitriny ary torak’izany ihany koa ny fisehon’ny asaratsy. Efa misy ny jiovavy eto an-drenivohitra raha tarafina amin’ity zava-niseho tetsy Besarety ity. Mba tsy hahavery ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana amin’izay mety ho fidinany an-tsehatra, dia mila manaraka izany fiovana izany ihany koa ny manam-pahaizana eo anivon’izy ireo. Izany dia mba hialàna amin’ny valin-teny mahazatra toy ny hoe tsy ampy an’isa ny mpitandro ny filaminana, miparitaka ny basy tamin’ny krizy nifanesy sns., kanefa mety ho ny tsy fahafehezana ny fivoaran’ny asaratsy no tena antony voalohany. Mbola karohina izy efa-bavy izay tompon’antoka amin’ity raharaha ity hatramin’ny talata teo. Nisy tranga nitovitovy tamin’izao ihany koa tetsy Ankorondrano, roa volana lasa izay. Nadalain’ireo telo vavy ny lehilahy iray kanefa izy ireo mikendry ny haka izay ao am-paosy. Tsy lasa lavitra dia tratran’ny olona ary naboridana nandehandeha eraky ny tanàna mandra-pahatongan’ny mpitandro ny filaminana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici