Hotanterahina ny zoma 30 septambra ho avy izao, etsy amin’ny Hotel A&C Ivato amin’ny alalan’ny alim-pandihizana arahina sakafo na « diner dansant » sy fametrahana tsangam-bato ary fanomezan-drà ny hetsika fankalazana amin’ny fomba manetriketrika ny faha-55 taona nijoroan’ny polisy nasionaly Malagasy, ary hitohy hatramin’ny faran’ny taona manerana ny nosy ny hetsika, ka teny filamatra amin’izany ny hoe : « Polisy Nasionaly manaja ny maha olona andrin’ny fampandrosoana ». Nambaran’ny minisitry ny filaminam-bahoaka Anandra Norbert, nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy Anosy, fa « Polisy nasionaly miaina ao anaty vahoaka manaja ny maha olona ary tsy hisy fampandrosoana vanona raha tsy milamina ny tany, satria ny filaminam-bahoaka hiarahan’ny rehetra misalahy », ka izay, hoy izy, nanipika no antony nisafidina manonkana ity teny filamatra ity.
Tsy misy resaka loko politika ny raharaha depiote Nina. Manoloana ny resabe tato ho ato mahakasika ny polisy, indrindra tamin’ny raharaha depiote Nina voafidy tany Mahajanga I, raha nanontanian’ny mpanao gazety ny tenany, dia nilaza nahitsy ity tompon’andraikitra voalohany amin’ny filaminam-bahoaka ity, fa « tsy mandefitra amin’ny polisy mioha-pefy ny tenako, satria ny polisy mampihatra lalàna ary voafehin’ny lalàna ». Mahakasika ny raharaha depiote Nina dia efa mandeha ny fanadihadihana sy famotorana lalina ataon’ny avy ao amin’ny “Inspection général de la police national” an’ireo polisy voasoketa. Ny IGPN dia sampan-draharaham-panjakana iray eo anivon’ny ministeran’ny filaminam-bahoaka natao hanadihady ireo polisy miho-pefy, hoy ingahy Minisitra namarana ny fanazavany.
Eric Manitrisa




