- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Tovolahy roa vao avy nangatabady indray maty natelin’ny rano

Ambatondrazaka : Tovolahy roa vao avy nangatabady indray maty natelin’ny rano

Nivadika ho alahelo  tanteraka ny fifaliam-be tamin’ity tokantrano iray tao Didy Ambatondrazaka ity. Fampakaram-bady nakotrokotroka moa ny Asabotsy  17 septembre 2016  teo, izay zanaka olona mpirahavavy iray tampoho ka ny  iray nampiakatra fa ny iray kosa namoaka zazavavy  ka rehefa tonga  ny alatsinainy famaranana ny lanonana, nikenokenona hody ny rehetra. Kinanjo rehefa niampita lakana   dia rendrika ny lakana nitondra ny fianakaviana vehivavy ka dia samy nidina anaty rano hamonjy izy mirahalahy ireto. Ireo navotana avotra avokoa fa izy mirahalahy vao avy nampiaka-bady no natelin’ny rano  ary ny faha 22 septembre teo vao hita ny razana. Alahelo tsy  misy aok’izany ny an’izy mirahavavy iray tampoho sy  ny vadin’izy ireo avy. Nidina nanampy moa ny ben’ny tananan’i Didy.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici