Nambaran’ny zandary teo anivon’ny vondrotobim-paritra Vakinankartra, fa niakatra fampanoavana omaly alakamisy ilay zandary nitifitra taxi-brousse nahafaty olona iray tamin’ny 17 Septambra lasa teo iny. Fantatra fa, isan’ny nalaina am-bavany niaraka taminy koa ilay mpamilin’ny fiara, vesatra iampangana ity farany ny tsy fanajana lalàna, tsy nijanona tamin’ny toerana tokony hijanonany rehefa nosakanan’ny mpitandro filaminana. Araka ny fantatra, dia naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy ilay zandary raha toa ka, afaka tamin’ny fanenjehana azy kosa ilay mpamily. Ankoatra io sazy miandry azy io, moa dia efa naato tamin’ny asany ity zandary ity ary notanana tao amin’ny toby taorian’ny zava-nitranga. Fantatra, fa tsy nametraka taratasy fitoriana kosa ny fianakavian’ny maty fa napetraka noraketina an-tsoratra ny fangatahany.
Nandritra ny fanazavana nomena ny mpanao gazety omaly hatrany, raha tsiahivina fohy ny zava-nitranga, dia zandary iray nanao sakana teo Tombontsoa, no nifititra “taxi-brousse” Sprinter ka nahafaty mpandeha iray sy nandratra olona iray hafa. Raha ny fanazavana nomen’ny kaomandin’ny vondrontombim-pileovana eto Vakinankaratra ny Ltn Ramilison Faneva Lucas dia tokony ho tamin’ny 2 ora sy 45 minitra rehefa nosakanana ny taxi-brousse iray fa maty jiro ila dia mbola nandeha mora hatrany io fiara io ary nihoatra ny toerana tokony hijanonany. Efa nanao ny fampitandremena fa hitifitra ilay zandary, hoy hatrany ny fanazavana fa tsy nijanona ilay fiara ka teo no nanapoahany ny basiny kinanjo niantefa tany amin’ny mpandeha. Teo amin’ny 10 metatra teo ho eo no elanelan’ny fiara sy ilay zandary.
Andry N.