- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Tovovavy 18 taona bevohoka, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Ambatofinandrahana : Tovovavy 18 taona bevohoka, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Tovovavy iray 18 taona, mitondra vohoka no hita faty nihosin-drà tao an-tanànan’i Benobasy, Fokontany Malaindromisotra, Kaominina Ambanivohitr’i Soavina, any amin’ny Distrikan’Ambatofinandrahana, ny talata teo. Raha ny fantatra araka ny vaovao voaray dia novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity tovovavy bevohoka tsy manambady mbola mipetraka amin’ny ray aman-dreniny ity. Olona sendra nandalo no nahita ny razana ka nampandre haingana ny mpitandro ny filaminana, ary tonga teny an-toerana ihany koa ny mpitsabo nizaha ny vatana mangatsiaka nihosin-drà. Fantatra taorian’ny fitiliana nataon’ny dokotera fa novelesina tamin’ny kibay ny hatony, nahitana tsindron’antsy roa teo amin’ny kibony eo amin’ny faritra misy ny zanany, ary mbola nofirain’ny tsy mataho-tody tamin’ny antsy maranitra ihany koa ny tendany nanaperana ny ainy, ka samy nivarahontsana ny rehetra nahita ny razana. Nandeha nivavaka ny alahady teo no nialan’ity vehivavy bevohoka tsy manambady ity ny tanànany, ka vatana mangatsiaka tsy nisy aina efa nihosin-drà no noraisin’ny havany. Hatreto, raha ny vaovao voaray hatrany, dia mbola tsy fantatra aloha ny tompon’antoka amin’ity vono olona nahatsiravina ity, na dia efa manao ny fanadihadiana mahakasika izany aza ny mpitandro filaminana any an-toerana.
Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici